Ireo Loza Fito Farany
Ireo nandà ny biby mitsangana eo anilan'ny ranomasina fitaratra mihira ny hirani Mosesy sy ny an'ny Zanak'ondry, milaza fa marina sy tsy mivadika ny lalan'i Raintsika. Anjely fito mivoaka amin'ny lamba rongony manjelanjelatra miaraka amin'ny vilany fito, ary feno setroka ny tempoly ka tsy misy afaka miditra mandra-pahatapitra ny fandatsahana azy.
15 1Nahita famantarana hafa tany an-danitra aho, lehibe sady mahagaga: anjely fito mitana ny loza fito farany, satria tamin’ireo no nifarana ny fahatezeran’i Raintsika.
2Nahita zavatra toy ny ranomasina fitaratra voaharoka afo aho, ary nitsangana teo anilany ireo izay nandresy ny bibidia sy ny sarany ary ny isan’ny anarany, mitana lokanga avy amin’i Raintsika. 3Ary nihira ny hiran’i Mosesy, mpanompon’i Raintsika, sy ny hiran’i Jesosy, ny Zanak’ondry, izy ireo hoe: « Lehibe sady mahagaga ny asanao, Ray ô, Mpanapaka Tsitoha! Marina sady mahitsy ny lalanao, Mpanjakan’ny firenena ô! 4Iza no tsy hmatahotra Anao, Ray ô, ary tsy hankalaza ny anaranao? Fa Ianao irery ihany no masina. Ho avy ny firenena rehetra ary hiankohoka eo anatrehanao, fa efa naharihary ny asanao marina. »
5Taorian’izany dia nijery aho, ary nmisokatra tany an-danitra ny tempoly, dia ny tabernakelin’ny vavolombelona. 6Nivoaka avy tao amin’ny tempoly ireo anjely fito izay nitana ny loza fito, nitafy rongony madio sy mamirapiratra, ary nifatotra fehin-bolamena teny an-tratrany.
7Ary nanome ny anjely fito vilany volamena fito feno ny fahatezeran’i Raintsika, Izay velona mandrakizay doria, ny iray tamin’ireo zava-manana aina efatra. 8Ny setroka avy tamin’ny voninahitr’i Raintsika sy ny heriny dia nanofana ny tempoly; ary tsy nisy olona afaka niditra tao mandra-pifaran’ny loza fito nentin’ireo anjely fito.