Efa vita pirinty
Boky

Andeha isika hankany an-tranony

Fihirana fiakarana. An’i Davida.

Fifaliana mpivahiny tonga ao an-tranon'i Rayntsika, ny tongony tena mijoro ao anatin'ny vavahady. Ny tanàna no fihaonan'ny foko sy fanapahana ny fitsarana marina, ka mivavaka ho an'ny fiadanany izy, ary milaza fa ho an'ny rahalahiny no ataony, fa tsy ho an'ny tenany.

Toko 122.

Nifaly aho tamin’izay nilaza tamiko hoe: « Andeha isika hankany an-tranon’i Raintsika. » Mijoro ao anatin’ny vavahadinao ny tongotsika, Jerosalema ô. Jerosalema, izay naorina ho tanàna mifamatotra mafy, izay ananjohan’ny foko, dia ny fokon’i Raintsika, araka ny didy ho an’i Israely, mba hisaotra ny anaran’i Raintsika. Fa any no napetraka ny seza fitsarana, dia ny seza fiandrianan’ny ankohonan’i Davida.

Mangataha fiadanana ho an’i Jerosalema: « Hiadana anie izay tia anao. Hisy fiadanana anie ao anatin’ny mandanao, sy filaminana ao anatin’ny tilikambonao. » Noho ny rahalahiko sy ny namako, dia holazaiko hoe: « Fiadanana anie ho ao aminao. » Noho ny tranon’i Raintsika dia hitady ny soa ho anao aho.