Efa vita pirinty
Boky

Ho an’ny Masina any Filipy

Taratasy feno fifaliana nosoratana tany an-tranomaizina, mamporisika ny fiangonana hifaly ao amin'ny Tompo mandrakariva sy hanana ny fisainan'i Kristy.

Toko 1.

Paoly sy Timoty, mpanompon’i Jesosy Kristy, ho an’ny olona masina rehetra ao amin’i Jesosy Kristy any Filipy, mbamin’ny mpiandraikitra sy ny diakona: Fahasoavana ho anareo sy fiadanana avy amin’i Raintsika sy i Jesosy Kristy Tompo.

Misaotra noho ireo Mpiara-mandray anjara amin’ny Filazantsara

Misaotra ny Raiko aho isaky ny mahatsiaro anareo, ary mivavaka mandrakariva ho anareo rehetra amin’ny fifaliana isaky ny vavaka ataoko, noho ny fiaraha-mandray anjara aminareo amin’ny filazantsara hatramin’ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny. Matoky an’izany mihitsy aho: Izay nanomboka asa tsara taminareo dia hamita izany mandraka ny andron’i Jesosy Kristy. Mendrika ho ahy ny mihevitra toy izany anareo, satria mitondra anareo ao am-poko aho, ianareo rehetra miara-mandray ny fahasoavana amiko, na ao amin’ny rojoko, na amin’ny fiarovana sy fanamafisana ny filazantsara. Fa Raintsika no vavolombelona ahy, fa mitaintaina ny aminareo rehetra aho amin’ny fitiavana lalina avy amin’i Jesosy Kristy.

Izao no vavaka ataoko: mba hihoatra sy hihoatra hatrany ny fitiavanareo, miaraka amin’ny fahalalana sy ny fahaizana mamantatra rehetra, mba hahafantaranareo ny tsara indrindra, ka ho madio sy tsy hanan-tsiny mandra-pihavian’ny andron’i Kristy. Feno ny vokatry ny fahamarinana amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ho voninahitr’i Raintsika sy fiderana Azy.

Ny Rojo Mampandroso ny Filazantsara

Tiako ho fantatrareo, ry rahalahy sy anabavy, fa ny nanjo ahy dia nampandroso ny filazantsara tokoa, ka ny rojoko noho i Kristy dia fantatry ny mpiambina ny emperora rehetra sy ny olon-kafa rehetra. Ny ankamaroan’ny rahalahy sy anabavy, izay nampmatokisin’ny rojoko ny amin’ny Tompo, dia mitombo kosa ny herim-pony ankehitriny hilaza ny teny tsy mahatahotra. Misy tokoa mitory an’i Kristy noho ny fialonana sy ny fifandirana, fa ny sasany kosa noho ny fo tsara. Ireto dia manao izany noho ny fitiavana, satria fantany fa voatendry hiaro ny filazantsara aho. Fa ireo kosa dia manambara an’i Kristy noho ny fitiavan-tena, tsy amin’ny fahadiovana, ka mihevitra ny hampitombo fahoriana ho ahy ao amin’ny rojoko.

Ahoana ary? Fa amin’ny fomba rehetra—na amin’ny fihatsaram-belatsihy, na amin’ny marina—dia torina i Kristy, ary faly amin’izany aho. Eny, hifaly hatrany aho. Fa fantatro fa hitarika ho amin’ny famonjena ahy izany, noho ny vavakareo sy ny fanampian’ny Fanahin’i Jesosy Kristy. Izao no fiandrasako mafy sy fanantenako: tsy ho menatra velively aho, fa amin’ny herim-po feno, ankehitriny toy ny taloha, dia hankalazaina ao amin’ny vatako i Kristy, na amin’ny fiainana na amin’ny fahafatesana.

Fa ho ahy, ny miaina dia Kristy, ary ny maty dia tombony. Raha mbola hiaina ao amin’ny nofo aho, dia asa mamoa ho ahy izany. Nefa tsy fantatro izay holaviko. Voasarika amin’izy roa aho: maniry ny hiala sy ho eo amin’i Kristy—izay tsara lavitra noho izany— fa ny hijanona ao amin’ny nofo dia mila kokoa noho ny aminareo. Satria matoky izany aho, dia fantatro fa hijanona sy hiara-mitoetra aminareo rehetra, ho fandrosoanareo sy fifalianareo amin’ny finoana, mba ho be dia be ao amin’i Jesosy Kristy ny fireharehanareo noho ny amiko, rehefa mankany aminareo indray aho.

Mijoro Mendrika ny Filazantsara

Aoka fotsiny ny fiainanareo ho mendrika ny filazantsaran’i Kristy, mba na tonga mijery anareo aho, na tsy eo, dia henoko fa mijoro tsy mihozongozona ianareo ao amin’ny fanahy iray, miray saina miady ho an’ny finoan’ny filazantsara, ary tsy atahorin’ny mpanohitra anareo velively—porofo ho azy ireo izany ny amin’ny fahavery, fa ho anareo kosa ny amin’ny famonjena, ary avy amin’i Raintsika izany. Fa nomena fahasoavana ianareo, noho i Kristy, tsy ny hino Azy ihany fa ny hijaly ho Azy koa, ka mizaka ny ady iray ihany izay hitanareo tamiko, ary henoinareo ankehitriny fa mbola iaretako.