Efa vita pirinty
Boky

Raiko, Heriko

Ho an’ny mpiventy hira. An’i Davida, mpanompon’i Raintsika, izay nihira ireto teny ireto ho an’i Raintsika tamin’ny andro nanafahana azy tamin’ny fahavalony rehetra sy tamin’ny tànan’i Saoly.

Rehefa afaka tamin'i Saoly, dia nitantara ny tantara manontolo i Davida. Nilentika tao anaty tadin'ny fahafatesana izy, ary ny fiantsoany no nampidina an'i Rainy tamin'ny lanitra tamin'ny rivotra, tao anatin'ny setroka sy havandra, mba hisintona azy hiala tamin'ny rano lalina ary hametraka azy eny amin'ny havoana.

Toko 18.

Tiako Ianao, Raiko ô, Heriko. Raiko no vatolampiko sy fiarovana mafy ho ahy ary mpanafaka ahy; Raiko, vatolampiko, izay ialofako, ampingako sy herin’ny famonjena ahy, fiarovana avo ho ahy. Miantso an’i Raiko, Izay tokony hoderaina, aho, ka voavonjy amin’ny fahavaloko.

Nanodidina ahy ny kofehin’ny fahafatesana; nanafotra ahy ny riaka mandringana. Nahazon ahy ny kofehin’ny fonenan’ny maty; nanatrika ahy ny fandrika mahafaty. Tamin’ny fahoriako dia niantso an’i Raiko aho; nitaraina tamin’i Raiko aho. Nandre ny feoko Izy tao amin’ny tempoliny, ary tonga tamin’ny sofiny ny fitarainako taminy.

Dia nihorohoro sy nihozongozona ny tany; nihovitrovitra sy nihozongozona ny fanorenan’ny tendrombohitra, satria tezitra Izy. Niakatra ny setroka avy tamin’ny vavorony, ary ny afo mandevona avy tamin’ny vavany; nirehitra avy Aminy ny vainafo. Nanondrika ny lanitra Izy ka nmidina; teo ambanin’ny tongony ny aizina matevina. Nitaingina kerobima Izy ka nanidina; nitsinkafona tamin’ny elatry ny rivotra. Nataony fisaronana ny aizina, tranolay manodidina Azy— ny rano maizina sy ny rahona matevina eny amin’ny lanitra. Avy tamin’ny famirapiratana teo anatrehany no nandalovan’ny rahony, niaraka tamin’ny havandra sy ny vainafo. Nikotroka tany an-danitra koa i Raiko, ary nampandre ny feony ny Avo Indrindra, niaraka tamin’ny havandra sy ny vainafo. Nandefa ny zana-tsipìkany Izy ka nampiely azy; nanipy ny helatra ka nampikorontana azy. Dia hita ny lakandranon’ny ranomasina, ary nibaribary ny fanorenan’ny tontolo noho ny fandrahonanao, Raiko ô, noho ny fiposahan’ny fofonain’ny vavoronao.

Nahinjitra avy any ambony Izy ka nihazona ahy; nanaisotra ahy avy tamin’ny rano be. Nanafaka ahy tamin’ny fahavaloko mahery Izy, tamin’izay nankahala ahy, fa nahery noho izaho izy ireo. Nanatrika ahy izy ireo tamin’ny andron’ny loza nanjo ahy, fa i Raiko no tehina ho ahy. Nentiny tany amin’ny toerana malalaka aho; navotany aho, satria faly tamiko Izy.

Nanao tamiko araka ny fahamarinako i Raiko; araka ny fahadiovan’ny tanako no nanomezany valiny ahy. Fa notandremako ny lalan’i Raiko, ary tsy niala tamin’i Raiko noho ny faharatsiana aho. Fa teo anatrehako avokoa ny fitsipiny rehetra, ary tsy nariako ny didiny. Tsy nisy tsiny aho teo anatrehany, ary niaro ny tenako tamin’ny heloka. Ka nanome valiny ahy i Raiko araka ny fahamarinako, araka ny fahadiovan’ny tanako teo imasony.

Amin’ny mahatoky dia mampiseho ny tenanao ho mahatoky Ianao; amin’ny tsy manan-tsiny dia mampiseho ny tenanao ho tsy manan-tsiny; amin’ny madio dia mampiseho ny tenanao ho madio Ianao, fa amin’ny maniolikolika kosa dia mampiseho ny tenanao ho mahay mamaly. Fa Ianao no mamonjy ny vahoaka manetry tena, fa ny maso avo kosa dia ampietrenao. Fa Ianao no mampirehitra ny jiroko; i Raiko no mampazava ny haizinako. Fa Aminao no mahazaka mihazakazaka hamely vondrona aho, ary amin’i Raiko no mahazo mitsambikina mihoatra ny manda aho.

Ny amin’i Raiko kosa—tonga lafatra ny lalany; voazaha tsara ny tenin’i Raiko; ampinga ho an’izay rehetra mialoka Aminy Izy. Fa iza no Raintsika afa-tsy i Raiko? Ary iza no vatolampy afa-tsy i Raintsika? I Raiko no mamabo ahy amin’ny hery ary mahatonga ny lalako ho tsy misy tsiny. Mampitovy ny tongotro amin’ny tongotry ny diera Izy ary mametraka ahy tsara eny amin’ny avo. Mampahay ny tanako ady Izy, mba hahafahan’ny sandriko manenjana tsipìka varahina. Nomenao ahy ny ampinga famonjenao; ny tanana havananao manohana ahy, ary ny fahalemem-panahinao no nampalehibe ahy. Manalalaka ny dia-tongotro eo ambanako Ianao, ka tsy mikisaka ny tongotro.

Nanenjika ny fahavaloko aho ka nahatratra azy; tsy nihodina aho raha tsy efa lany izy. Nokapohiko izy ka tsy nahazo nitsangana; lavo teo ambanin’ny tongotro izy. Namabo ahy tamin’ny hery ho amin’ny ady Ianao; nampilavo teo ambanin’ny tongotro ireo nitsangana hanohitra ahy Ianao. Nataonao nitodika ny lamosiny tamiko ny fahavaloko, ary noravako izay nankahala ahy. Nitaraina izy ireo, nefa tsy nisy mpamonjy; niantso an’i Raiko izy ireo, nefa tsy namaly azy Izy. Notorotoroiko ho tsiraka tahaka ny vovoka eo anoloan’ny rivotra izy; nalatsako tahaka ny fotaka eny an-dalana. Nanafaka ahy tamin’ny fifandirana ny vahoaka Ianao; nanao ahy ho lohan’ny firenena Ianao; manompo ahy ankehitriny ny vahoaka tsy fantatro. Raha vao mandre ny momba ahy izy dia mankatò ahy; mandefitra amiko ny vahiny. Reraka ny fon’ny vahiny ka mivoaka mangovitra avy amin’ny fiarovany mafy.

Velona i Raiko! Isaorana anie ny vatolampiko, ary hasandratra anie ny Ray Izay mamonjy ahy, ny Ray Izay manome ahy rariny ary mampanaiky ny firenena ho eo ambaniko, Izay nanafaka ahy tamin’ny fahavaloko. Eny, nanandratra ahy Ianao mihoatra izay nitsangana hanohitra ahy; nanafaka ahy tamin’ny lehilahy mamorona herisetra Ianao. Noho izany dia hidera Anao eo amin’ny firenena aho, Raiko ô, ary hihira fiderana ho an’ny anaranao.

Manome fandresena lehibe ho an’ny mpanjakany Izy, ary mampiseho famindrampo araka ny fanekena amin’ny voahosony, amin’i Davida sy ny taranany mandrakizay.