Mofo Ambonin’ny Rano
Alefaso eny ambonin'ny rano ny mofonao ary zarao be ny anjaranao, satria tsy fantatrao izay loza ho avy. Izay mijery ny rivotra dia tsy mamafy mihitsy. Mamafia maraina sy hariva, mankafia ny mazava, tsarovy ny andro maizina ho avy, ary fantaro fa entin'Andriamanitra amin'ny fitsarana ny fahatanorana.
11 1Alefaso any ambonin’ny rano ny mofonao, fa rehefa afaka andro maro dia ho hitanao indray izany. 2Omeo anjara ny fito, eny, na dia ny valo aza, fa tsy fantatrao izay loza ho avy amin’ny tany. 3Raha feno ny rahona, dia mandatsaka ranonorana amin’ny tany izy; ary raha misy hazo mianjera any atsimo na any avaratra, dia any amin’ny toerana nianjerany no hitoetra azy. 4Izay mijery ny rivotra dia tsy hamafy mihitsy, ary izay mandinika ny rahona dia tsy hijinja mihitsy.
5Tahaka ny tsy fantatrao ny lalan’ny rivotra, na ny fiforonan’ny taolana ao an-kibon’ny vehivavy bevohoka, no tsy ho fantatrao ny asan’Andriamanitra, Izay mahary ny zavatra rehetra.
6Afafy ny voan-javatrao maraina, ary hariva aza avela hitsahatra ny tananao, fa tsy fantatrao izay hahomby, izao na izaony, na hahomby tsara avokoa ireo roa ireo.
Mamy ny Mazava
7Mamy ny mazava, ary mahafinaritra ny maso ny mahita ny masoandro.
8Koa raha miaina taona maro ny olona, dia aoka hifaly amin’izany rehetra izany izy; nefa aoka hotsarovany ny andro maizina, fa ho maro ireny. Zava-mandalo avokoa izay rehetra ho avy.
9Mifalia, ry zatovo, amin’ny fahatanoranao, ary aoka ny fonao hanome fifaliana anao amin’ny andron’ny fahatanoranao. Mandehana araka ny lalan’ny fonao sy araka ny fahitan’ny masonao; fa fantaro fa noho ireo rehetra ireo dia hitondra anao ho amin’ny fitsarana Andriamanitra.
10Koa esory ny alahelo amin’ny fonao, ary ataovy lavitra ny fanaintainana amin’ny vatanao, fa zava-mandalo ny fahatanorana sy ny maraim-piainana.