Mitehafa tanana, ry firenena rehetra
Ho an’ny mpiventy hira. Salamon’ny zanak’i Kora.
Fiantsoana amin'ny fanasan'ny mpanjaka — tehaka, trompetra, ary ny firenena rehetra no antsoina, fa tsy Isiraely ihany. Niakatra tany amin'ny seza fiandrianany Rayntsika, ary mivory ho vahoaka iray mbamin'ny an'i Abrahama ireo andriamby amin'ny firenena. Izy no Mpanjakan'ny tany manontolo.
47 1Mitehafa tanana, ry vahoaka rehetra! Mihobia ho an’i Raintsika amin’ny feo mifaly! 2Fa i Raintsika, Ilay Avo Indrindra, dia mahatahotra, Mpanjaka lehibe eran’ny tany rehetra. 3Mampanaiky vahoaka eo ambanintsika Izy, ary firenena eo ambanin’ny tongotsika. 4Nifidy ny lovantsika ho antsika Izy, dia ny voninahitr’i Jakoba izay tiany. a a v4 Ny «voninahitr’i Jakoba» dia ny Tany Nampanantenaina — ny lova izay nohajain’ny taranak’i Jakoba mihoatra noho ny zavatra rehetra.
5Niakatra tamin’ny fihobiana mifaly i Raintsika, i Raintsika tamin’ny feon’ny tandroky ny ondrilahy. 6Miderà ho an’i Raintsika, miderà! Miderà ho an’ny Mpanjakantsika, miderà! 7Fa i Raintsika no Mpanjakan’ny tany rehetra; miderà amin’ny salamo natao tamim-pahaizana. 8Manjaka amin’ny firenena i Raintsika; mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianany masina i Raintsika. 9Mivory ny lehiben’ny vahoaka ho vahoakan’ny Andriamanitr’i Abrahama. Fa an’i Raintsika ny ampinga eran’ny tany; asandratra indrindra Izy. b b v9 Ny «ampinga» dia teny poetika ho an’ny mpanapaka sy ny mpanjaka — ireo mitarika sy miaro ny vahoakany.