Efa vita pirinty
Boky

Ny Fitarainan’i Davida mitady famonjena

Sigaiona nataon’i Davida, izay nohirainy ho an’i Raintsika momba an’i Kosy, Benjamita.

Voampanga tamin'i Kosy Benjamita i Davida, ka nianiana izy: raha nanonitra ny namana tamin'ny ratsy izy dia aoka ny fahavalony hanitsakitsaka azy ho vovoka. Mangataka amin'ny Rainy, Mpitsara mizaha ny fo, izy mba hihetsika, ary mahita ny mpanao herisetra mianjera ao amin'ny lavaka noheveriny.

Toko 7.

Raiko ô, Ianao no ialofako; vonjeo aho amin’izay rehetra manenjika ahy, ary avoty aho, fandrao handriatra ahy toy ny liona izy, mandrovitra ahy ka tsy misy mamonjy. Raiko ô, raha izaho no nanao izao, raha misy hadisoana eo an-tanako, raha nandoa ny namako tamin’ny ratsy, na nandroba ny fahavaloko tsy nisy antony, dia aoka ny fahavalo hanenjika sy hahatratra ahy, ary aoka hanitsaka ny aiko amin’ny tany izy ary hampandry ny voninahitro amin’ny vovoka.

Mitsangana, Raiko ô, amin’ny fahatezeranao; mitsangana hanohitra ny fahatezeran’ny fahavaloko; mifohaza hamonjy ahy—Ianao no efa nanendry ny fitsarana. Aoka ny fiangonan’ny firenena hanodidina Anao; ary mipetraha any ambony ambonin’izy ireo. Ny Raintsika no mitsara ny firenena. Tsarao ho marina aho, Raiko ô, araka ny fahamarinako sy araka ny fahitsiana ato anatiko. Aoka hifarana ny faharatsian’ny ratsy fanahy, fa ampijoroy ny marina—Ianao izay mandinika ny saina sy ny fo, ry Ray marina ô. Ny Raiko no ampingako, Izay mamonjy ny mahitsy fo. Mpitsara marina ny Raintsika, Andriamanitra izay tezitra isan’andro. Raha tsy mibebaka ny olona, dia hanamaranjy ny sabany ny Raintsika; efa nanenjana ny tsipikany Izy ary nanomana azy. Efa nanomana ny fiadiany mahafaty Izy; ataony zana-tsipika mirehitra ny zana-tsipikany. Indro, bevohoka faharatsiana ny ratsy fanahy; mitoe-pahoriana izy ka miteraka lainga. Mihady lavaka izy ka manalalaka azy, nefa latsaka ao amin’ilay lavaka nataony ihany. Miverina eo an-dohany ny fahoriany; ary midina eo an-tampon-dohany ny herisetrany. Hisaotra ny Raiko aho noho ny fahamarinany, ary hankalaza amin’ny hira ny anaran’ny Raiko, Ilay Avo Indrindra.