Vatoko ô, Aza Mangina
An’i Davida.
Ny tahotr'i Davida dia ny fahanginana: raha tsy mamaly i Rainy, Vatolampiny, dia efa miara-mandry amin'ny maty izy. Mangataka izy mba tsy hasintonina miaraka amin'ny olona miteny mahafinaritra nefa manafina ny ratsy. Antenatenany dia re izy, ary lasa fisaorana ny vavaka.
28 1Ianao, Raiko ô, no kaiko; Vatoko ô, aza mody marenina amiko, fa raha mangina amiko Ianao, dia ho tahaka ireo midina any an-davaka aho.
2Henoy ny fitalahoako mangataka famindrampo, rehefa mitaraina aminao mba hamonjy aho, rehefa manainga ny tanako mankany amin’ny fitoeranao masina.
3Aza sintonina miaraka amin’ny ratsy fanahy aho, miaraka amin’ireo mpanao ratsy, izay miteny soa amin’ny namany nefa ao am-pony ny faharatsiana. 4Omeo valiny araka ny asany izy ireo, araka ny ratsy ataony; omeo valiny araka ny asan’ny tanany; ampody aminy izay tokony ho azy. 5Satria tsy miraharaha ny asan’ny Raiko izy ireo, na ny asan’ny tanany, dia hofongorany izy ireo ka tsy hatsangany intsony.
6Isaorana anie Raintsika, fa efa nihaino ny fitalahoako mangataka famindrampo Izy. 7Ny Raiko no heriko sy ampingako; Izy no itokian’ny foko, ka nahazo fanampiana aho. Mitsambikina noho ny fifaliana ny foko, ary amin’ny hirako no misaotra Azy aho.
8Ny Raiko no herin’ny olony; Izy no fiarovana mamonjy ny voahosony. 9Vonjeo ny olonao ary tahio ny lovanao; andrio izy ireo ary entano mandrakizay.