Efa vita pirinty
Boky

Misaora an’i Raintsika, ry fanahiko ô

An’i Davida.

Lisitry ny fahatsaram-pon'i Rayntsika tsy tokony hohadinoina — voavela ny fahotana, sitrana ny aretina, vonjena tsy ho any an-davaka ny aina. Eo afovoany dia misy fampitahana: toy ny fon'ny ray mangoraka ny zanany, no mangoraka antsika ny Azy. Tsiahiviny fa vovoka isika.

Toko 103.

Misaora an’i Raintsika, ry fanahiko ô; ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina!

Misaora an’i Raintsika, ry fanahiko ô, ary aza hadinoina ny soa rehetra nataony, Izy no mamela ny helokao rehetra, Izy no manasitrana ny aretinao rehetra, Izy no manavotra ny ainao amin’ny fasana, Izy no mametraka satroboninahitra famindrampo sy fiantrana eo ambonin’ny lohanao, Izy no mahavoky anao amin’ny zava-tsoa mandritra ny androm-piainanao, mba hanavaozana ny fahatanoranao tahaka ny an’ny voromahery.

Manao fahamarinana sy fitsarana marina ho an’izay rehetra ampahorina Raintsika.

Nampahafantatra ny lalany tamin’i Mosesy Izy, ary ny asany tamin’ny zanak’Israely. Mamindra fo sy miantra Raintsika, lava fanahy ary be famindrampo. Tsy hiampanga mandrakariva Izy, ary tsy hitana ny fahatezerany mandrakizay. Tsy manao amintsika araka ny fahotantsika Izy, na mamaly antsika araka ny helotsika. Fa tahaka ny hahavon’ny lanitra ambonin’ny tany, no haben’ny famindrampony amin’izay matahotra Azy; tahaka ny halavirana ny atsinanana amin’ny andrefana, no nanalavitra ny fahotantsika tamintsika Raintsika.

Tahaka ny miantra ny zanany ny ray, no miantra izay matahotra Azy Raintsika. Fa fantany ny nanamboarana antsika; tsaroany fa vovoka isika. Ny andron’ny olona dia tahaka ny ahitra; mamony tahaka ny voninkazo any an-tsaha izy; fa rehefa mamaky azy ny rivotra, dia lasa izy, ary tsy mahatsiaro azy intsony ny fitoerany. Kanefa ny famindrampon’i Raintsika dia hatramin’ny taloha indrindra ka hatramin’ny mandrakizay amin’izay matahotra Azy, ary ny fahamarinany amin’ny zafiafy, amin’izay mitana ny fanekeny ary mahatsiaro manao ny didiny.

Napetrak’i Raintsika any amin’ny lanitra ny seza fiandrianany, ary manapaka ny zavatra rehetra ny fanjakany.

Misaora an’i Raintsika, ry anjeliny, ry mahery izay manao ny teniny, mankatò ny teniny rehetra! Misaora an’i Raintsika, ry tafiny rehetra, ry mpanompony izay manao ny sitrapony! Misaora an’i Raintsika, ry asany rehetra, any amin’ny toerana rehetra misy ny fanjakany. Misaora an’i Raintsika, ry fanahiko ô!