Efa vita pirinty
Boky

Zanak’i Kora

Ho an’ny mpitondra ny hira. Salamo ho an’ny zanak’i Kora.

Efa namela heloka ity vahoaka ity i Rayntsika taloha, ary angatahiny hanao izany indray fa tsy hijanona ho tezitra mandritra ny taranaka maro. Ny valiny re dia fiadanana, sy sary iray: mihaona ny fitiavana sy ny fahamarinana, mifanoroka ny fahamarinana sy ny fiadanana, mamoa ny vokatra ny tany.

Toko 85.

Nankasitraka ny taninao Ianao, Rainay; nampody ny fahasambaran’i Jakoba Ianao. Namela ny helok’ny olonao Ianao; nanarona ny fahotany rehetra Ianao. Nanala ny fahatezerana rehetra Ianao; niala tamin’ny fahavinirana mirehitra Ianao.

Avereno izahay, Rainay famonjena anay; esory ny fahasosoranao aminay. Moa hahatezitra aminay mandrakizay va Ianao? Moa hampaharetsinao hatramin’ny taranaka rehetra va ny fahatezeranao? Moa tsy hamelona anay indray va Ianao, mba hifaly aminao ny olonao? Asehoy anay ny famindrampo mitahiry ny fanekenao, Rainay, ary omeo anay ny famonjenao.

Aoka hhenoko izay holazain’i Raintsika, fa fiadanana no hotenenin’Izy amin’ny olony, dia ireo mahatoky Aminy; fa aoka tsy hiverina amin’ny fiainany adala izy ireo. Marina fa akaiky ireo matahotra Azy ny famonjeny, mba hitoetra ao amin’ny tanintsika ny voninahitra. Nifankahita ny famindrampo sy ny fahatokiana; nifanoroka ny fahamarinana sy ny fiadanana. Mitsimoka avy amin’ny tany ny fahatokiana, ary mijery avy any an-danitra ny fahamarinana. Eny, Raintsika no hanome izay tsara, ary ny tanintsika no hamoa ny vokatra. Handeha eo alohan’Azy ny fahamarinana ary hanamboatra ny lalana ho an’ny diany.