Efa vita pirinty
Boky

Miderà ny Anarany

Fiderana miorina amin'ny porofo: manao izay sitrany any amin'ny ranomasina sy ny lanitra Rayntsika, namely an'i Egypta izy, nandrava an'i Sihona sy Oga ary nanome ny taniny. Raha ampitahaina amin'izany, ny sampy manana vava sy maso tsy misy ilana dia mamela foana ny mpanao azy ihany koa.

Toko 135.

Aleloia! Miderà ny anaran’i Raintsika; miderà Azy, ry mpanompon’i Raintsika, ianareo izay manompo ao an-tranon’i Raintsika, ao an-kianjan’ny tranon’i Raintsika.

Miderà an’i Raintsika, fa tsara i Raintsika; mankalazà ny anarany amin’ny fihirana, fa mahafinaritra izany. Fa nifidy an’i Jakoba ho Azy i Raintsika, dia Isiraely ho fananany sarobidy.

Fa fantatro fa lehibe i Raintsika, ary ambonin’ny andriamanitra rehetra i Raintsika Mpanjaka. Izay rehetra sitrak’i Raintsika no nataony, any an-danitra sy etỳ an-tany, any an-dranomasina sy any amin’ny lalina rehetra. Izy no mampiakatra ny rahona avy any amin’ny faran’ny tany; mamorona tselatra ho an’ny orana Izy ary mamoaka ny rivotra avy ao amin’ny trano fitahirizany.

Izy no namely ny lahimatoan’i Egypta, na olona na biby. Nandefa famantarana sy fahagagana teo aminao Izy, ry Egypta, tamin’i Farao sy ny mpanompony rehetra. Namely firenena maro Izy ary namono mpanjaka mahery. Sihona mpanjakan’ny Amorita, sy Ogy mpanjakan’i Basana, ary ny fanjakana rehetra any Kanana, ary nomeny ho lova ny taniny, ho lova ho an’i Isiraely olony.

Ny anaranao, Rainay ô, dia maharitra mandrakizay; ny lazanao, Rainay ô, hatramin’ny taranaka fara mandimby rehetra. Fa hanamarina ny olony i Raintsika ary hiantra ny mpanompony.

Volafotsy sy volamena ny sampy an’ny firenena, asan’ny tanan’olona. Manana vava izy fa tsy mahay miteny; manana maso izy fa tsy mahita; manana sofina izy fa tsy mandre, ary tsy misy fofonaina ao am-bavany. Ho tahaka azy ireo izay manao azy, ary izay rehetra matoky azy ihany koa.

Ry ankohonan’i Isiraely, misaora an’i Raintsika; ry ankohonan’i Arona, misaora an’i Raintsika; ry ankohonan’i Levy, misaora an’i Raintsika; ianareo izay matahotra an’i Raintsika, misaora an’i Raintsika. Isaorana avy any Ziona i Raintsika, Izay mitoetra any Jerosalema. Aleloia!