Efa vita pirinty
Boky

Ny Tànan’i Raintsika Manohitra ny Filistina

Ny Filistina dia nametraka ny fiaran'i Raintsika izay azony teo anilan'i Dagona, ary indroa no hitany niankohoka ny andriamaniny, ary tamin'ny fanindroany dia tapaka teo amin'ny tokonana ny lohany sy ny tànany. Vay sy horohoro no nanaraka ny fiara hatrany Asdoda ka hatrany Gata sy Ekrona, mandra-pangatahan'ny tanàna rehetra mba hialana aminy.

Toko 5.

Efa naka ny fiaran’i Raintsika ny Filistina, ka nentiny avy tany Ebenezera nankany Asdoda. Naka ny fiaran’i Raintsika ny Filistina, dia nitondra azy ho ao an-tranon’i Dagona ary nametraka azy teo anilan’i Dagona. Nony nifoha maraina ny olona any Asdoda tamin’ny ampitso, dia hitany fa Dagona nandry mitsoroka tamin’ny tany teo anoloan’ny fiaran’i Raintsika. Dia nalainy Dagona ary napetrany indray teo amin’ny toerany. Nony nifoha maraina izy ireo tamin’ny ampitso, dia nianjera mitsoroka indray tamin’ny tany teo anoloan’ny fiaran’i Raintsika Dagona. Ary tamin’izany indray mandeha izany dia tapaka ny lohany sy ny tànany roa ary nipetraka teo am-bavahady; ny vatany ihany no nijanona. Koa mandraka androany dia tsy mandia ny ambavahadin’i Dagona ny mpisorona an’i Dagona sy izay rehetra miditra ao an-tranon’i Dagona any Asdoda. Henjana nanindry ny mponina tao Asdoda ny tànan’i Raintsika. Nandringana azy Izy ary namely azy tamin’ny fivontosana, dia Asdoda sy ny faritaniny manodidina. Nony hitan’ny lehilahy any Asdoda izany, dia hoy izy ireo: « Tsy tokony hitoetra eo amintsika ny fiaran’Andriamanitry ny Isiraely, fa mahery amintsika sy amin’i Dagona andriamanitsika ny Tanany. » Dia nasainy niaraka ny mpanapaka rehetra tamin’ny Filistina ka nanontany hoe: « Inona no hataontsika amin’ny fiaran’Andriamanitry ny Isiraely? » Namaly hoe izy ireo: « Afindra any Gata ny fiaran’Andriamanitry ny Isiraely. » Dia nafindrany tany ny fiaran’Andriamanitry ny Isiraely.

Rehefa nafindrany izany, dia tonga hamely an’ilay tanàna koa ny tànan’i Raintsika, ka nahatonga tahotra lehibe indrindra. Namely ny mponina tao, na kely na lehibe Izy, ary nipoitra taminy ny fivontosana. Dia nalefany nankany Ekrona ny fiaran’i Raintsika. Fa nony tonga ny fiaran’Andriamanitra, dia nitaraina ny mponina tao Ekrona hoe: « Nentin’izy ireo teto aminay ny fiaran’Andriamanitry ny Isiraely hamono anay sy ny vahoakanay! »

Dia nanangona ny mpanapaka rehetra tamin’ny Filistina izy ireo ka nanao hoe: « Alefaso ny fiaran’Andriamanitry ny Isiraely, ary aoka hiverina any amin’ny toerany, mba tsy hamono anay sy ny vahoakanay. » Efa nahazo ny tanàna rehetra ny tahotra mahafaty; henjana indrindra teo ny tànan’i Raintsika. Ireo izay tsy maty dia voan’ny fivontosana, ary niakatra tany an-danitra ny fitarainan’ny tanàna mangataka famonjena.