Efa vita pirinty
Boky

Mikasika Anao ny firenena mba hanohitra

Fihirana. Salamo nataon’i Asafa.

Nitambatra — Edoma, Moaba, Amona, Asyria sy ny hafa — hamafa tanteraka ny anaran'i Isiraely. Notononin'i Asafa isan-tokana izy ireo, ary mangataka ny fandrebirebena toa ny tamin'i Midiana, ary avy eo mangataka henatra izay hanosika azy ireo hitady ny anaran'i Rayntsika.

Toko 83.

Rainay ô, aza mangina Ianao; aza mitsitsy, ary aza mipetraka tsy mihetsika, Rainay ô. Fa indro, mitabataba ny fahavalonao; ary izay mankahala Anao dia nampiakatra ny lohany. Hanohitra ny olonao dia manao fikasana mangingina izy; miara-mandrafitra hanohitra izay ataonao ho harena sarobidy. Hoy izy ireo: « Andeha hofongorantsika tsy ho firenena izy, mba tsy hotsaroana intsony ny anaran’i Isiraely. » Miray saina izy ireo no mikasa; manao fanekena hanohitra Anao, ny lain’i Edoma sy ny Ismaelita, Moaba sy ny Hagarita, Gebala sy Amona sy Amaleka, Filistia mbamin’ny mponina any Tyro. Nikambana taminy koa i Asyria; efa lasa sandry mahery ho an’ny taranak’i Lota izy ireo.

Ataovy aminy araka izay nataonao tamin’i Midiana, sy tamin’i Sisera ary Jabina tao amin’ny reniranon’i Kisona, izay simba tao En-dora ary lasa zezika ho an’ny tany. Ataovy tahaka an’i Oreba sy Zeeba ny lehibeny, ary tahaka an’i Zebaha sy Zalmunna ny mpanapaka rehetra aminy, izay niteny hoe: « Andeha isika haka ho antsika ny fiandrasan’Andriamanitra. » Raiko ô, ataovy tahaka ny vovoka mitataotao izy, tahaka ny akofa eo anoloan’ny rivotra. Tahaka ny afo mandevona ala, tahaka ny lelafo mampirehitra ny tendrombohitra, dia toy izany no enjeho amin’ny tafio-drivotrao izy ary ampitahory amin’ny oram-baovaonao. Fonony henatra ny tavany, mba hitady ny anaranao izy, Rainay ô. Aoka ho menatra sy ho mivarahontsana mandrakizay izy; ary aoka ho levona amin’ny fahamenarana, mba hahafantatra izy fa Ianao irery, izay Rainay no anaranao, no Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.