Efa vita pirinty
Boky

Mitafy Voninahitra

Zavatra roa no tsy mihozongozona: ny tany sy ny seza fiandrianana. Manandratra ny feony ny riaka ary mamely ny onjany, ary mamaly ny salamo fa Rayntsika any ambony no mahery noho ny onja mivaivay — ary tsy mihozongozona toy ny fanjakany ny didiny.

Toko 93.

Manjaka Raintsika; mitafy voninahitra Izy. Mitafy Raintsika; nitaha hery Izy. Eny, raikitra tsara ny tontolo izao; tsy hozozoina mihitsy izy. Raikitra hatry ny ela ny seza fiandrianao; Ianao dia mandrakizay. Nitsangana ny riaka, Rainay ô, nitsangana ny riaka, nanandratra ny feony; manandratra ny onjany mikotroka ny riaka. Mahery noho ny kotrokorana avy amin’ny rano maro, mahery noho ny onjan’ny ranomasina, Raintsika any ambony. Tena tsy mivadika ny fitsipikao; ny fahamasinana no mandravaka ny tranonao, Rainay ô, mandrakizay doria.