Efa vita pirinty
Boky

Niverina tao amin’ny tempoly ny voninahitr’i Raintsika

Ny voninahitra nojeren'i Ezekiela nialoha dia miverina avy any atsinanana ary mameno ny tempoly. Ny Rayntsika dia manao azy ho toerana misy seza fiandrianany, mandidy an'i Ezekiela hamaritra ny endrika mba hahamenatra ny vahoaka, dia manome ny refin'ny alitara sy fanokanana fito andro.

Miteny Raintsika ao amin’ireo andininy 7–27

Toko 43.

Dia nitondra ahy ho eo am-bavahady izy, dia ilay bavahady manatrika ny atsinanana. Avy any atsinanana ny voninahitry ny Ray an’i Israely. Ny feony dia tahaka ny firohondrohon’ny rano maro, ary namirapiratra tamin’ny voninahiny ny tany. Ny fahitana hitako dia nitovy tamin’ilay fahitana hitako fony Izy tonga handrava ny tanàna, sy tamin’ilay fahitana teo amoron’ny reniranon’i Kebara; dia niankohoka aho. Dia niditra tao amin’ny tempoly tamin’ny vavahady atsinanana ny voninahitr’i Raintsika. Dia nanainga ahy ny Fanahin’i Raintsika ka nitondra ahy ho ao amin’ny kianja anatiny; ary nameno ny tempoly ny voninahitr’i Raintsika.

Nandre nisy niteny tamiko avy tao amin’ny tempoly aho, ary nisy lehilahy nijoro teo anilako.

Hoy Izy tamiko: « Ry zanak’olona ô, izao no fitoeran’ny seza fiandrianako sy ny fitoeran’ny faladian-tongotro, izay honenako eo amin’ny Zanak’Israely mandrakizay. Ny ankohonan’Israely dia tsy handoto ny anarako masina intsony, izy sy ny mpanjakany, noho ny tsy fahatokiany sy noho ny fatin’ny mpanjakany any amin’ny fitoerany avo. a a v7 Ny hoe « fatin’ny mpanjakany any amin’ny fitoerany avo » dia heverina fa manondro ny fitoeran’ny fasan’ny mpanjaka tao anatin’ny tempoly na teo akaikiny. Napetrany teo anilan’ny tokonako ny tokonany, ary ny tolam-baravarany teo anilan’ny tolam-baravarako, ka rindrina fotsiny no teo anelanelako sy azy. Nandoto ny anarako masina izy tamin’ny fahavetavetany, ka noravako tamin’ny fahatezerako izy. Ankehitriny dia aoka hataony lavitra Ahy ny tsy fahatokiany sy ny fatin’ny mpanjakany, dia honina eo aminy mandrakizay Aho.

Ry zanak’olona ô, ilazao amin’ny ankohonan’Israely ny momba ny tempoly, mba hahamenatra azy ny helony; ary aoka hrefesiny ny endriny. Raha menatra noho izay rehetra nataony izy, dia ampahafantaro azy ny endrik’ny tempoly: ny firafiny, ny fivoahana sy ny fidirana, ny endriny rehetra, ny didiny rehetra, ny endri-javatra rehetra ary ny lalàny rehetra. Soraty eo imasony izany, mba hotanterahiny ny endriny rehetra sy ny didiny rehetra.

Izao no lalànan’ny tempoly: ny faritra rehetra eo an-tampon’ny tendrombohitra manodidina dia masina indrindra. Izany no lalànan’ny tempoly.

Ny alitara fanatitra

« Izao no refin’ny alitara: ny fototra, tokony ho iray amby roa polo inty ny halaliny ary iray amby roa polo inty ny sakany, ary misy sisiny tokony ho sivy inty manodidina eo an-tsisiny. Izao no haavon’ny alitara: Hatrany amin’ny fototra eny amin’ny tany ka hatramin’ny sisin-tohatra ambany: tokony ho telo tongotra sy tapany, ary ny sakany tokony ho iray amby roa polo inty. Hatrany amin’ny sisin-tohatra kely ka hatramin’ny sisin-tohatra lehibe: tokony ho fito tongotra, ary ny sakany tokony ho iray amby roa polo inty. Ary ny fatan’ny alitara dia fito tongotra ny haavony, ary avy tamin’ny fatan’ny alitara dia nisondrotra miakatra ny tandroka efatra. Ny fatan’ny alitara dia iray amby roa polo tongotra ny lavany sy ny sakany, efa-joro-droa. Ny sisin-tohatra dia efatra amby roa polo tongotra sy tapany ny lavany sy ny sakany eo amin’ny sisiny efatra, ary misy sisiny manodidina azy tokony ho folo inty sy tapany, ary ny fototra tokony ho iray amby roa polo inty manodidina; ary nmanatrika atsinanana ny tohatra. »

Hoy Izy tamiko: « Ry zanak’olona ô, izao no lazain’ny Ray Tompo: Izao no fitsipiky ny alitara amin’ny andro hanaovana azy, dia ny hanaovana fanatitra dorana eo aminy sy hanopazana ra eo aminy. Omeo ombalahy tanora ho fanatitra noho ny fahotana ny mpisorona Levita avy amin’ny taranak’i Zadoka, izay manatona Ahy hanompo Ahy, hoy ny Ray Tompo. Alao ny ampahany amin’ny rany ka asio eo amin’ny tandroka efatra amin’ny alitara sy eo amin’ny zoro efatra amin’ny sisin-tohatra ary eo amin’ny sisiny manodidina; dia hodiovinao sy hovonjenao izy. Dia alao ilay ombalahy ho fanatitra noho ny fahotana; ataovy may eo amin’ny toerana voatendry ao amin’ny tempoly, any ivelan’ny toerana masina.

Amin’ny andro faharoa dia atero osilahy tsy misy kilema ho fanatitra noho ny fahotana; ary hodiovin’izy ireo ny alitara, tahaka ny nandiovany azy tamin’ilay ombalahy. Rehefa vita ny fandiovana azy dia atero ombalahy tanora tsy misy kilema sy ondrilahy avy any amin’ny ondry aman’osy tsy misy kilema. Atolory eo anatrehan’i Raintsika izy ireo; ary hanisy sira aminy ny mpisorona ka hanatitra azy ho fanatitra dorana ho an’i Raintsika.

Mandritra ny fito andro dia omenao osilahy isan’andro ho fanatitra noho ny fahotana, ary ombalahy tanora sy ondrilahy avy any amin’ny ondry aman’osy, samy tsy misy kilema. Mandritra ny fito andro dia hanao fanavotana ho an’ny alitara izy ireo ka handio azy, ary hatokana toy izany izy. Rehefa tapitra izany andro izany, dia hatramin’ny andro fahavalo, ny mpisorona no hanatitra ny fanatitra dorananareo sy ny fanati-pihavananareo eo ambonin’ny alitara; ary hankasitraka anareo Aho, hoy ny Ray Tompo. »