Efa vita pirinty
Boky

I Raintsika no Mampianjera ny Fanjakan’i Ahazia Ratsy

Nanjaka herintaona i Ahazia, nomen'ny renim-pitaraina Atalia torohevitra hanao ratsy, ary maty tamin'ny fandravana nataon'i Jehu. Avy eo dia namono ny fianakavian'ny mpanjaka i Atalia, afa-tsy zazakely iray, nafenin'ny vadin'ny mpisorona tao an-tranon'ny Raintsika nandritra ny enin-taona raha nanjaka izy.

Toko 22.

Ny mponin’i Jerosalema dia nanao mpanjaka an’i Ahazia zanany faralahy tamin’ny toerany, satria ireo mpandroba tonga niaraka tamin’ny Arabo tao amin’ny toby no namono ny zanany lahimatoa rehetra. Ka i Ahazia zanak’i Jehoramy mpanjakan’i Joda no nanjaka. Roa amby roapolo taona i Ahazia no nanjaka, ary herintaona no nanjakany tao Jerosalema. I Atalia zafikelin’i Omry no reniny. Izy koa dia nandeha tamin’ny lalan’ny ankohonan’i Ahaba, satria ny reniny no nanoro hevitra azy hanao ratsy. Nanao ny ratsy teo imason’i Raintsika izy, tahaka ny ankohonan’i Ahaba, fa rehefa maty ny rainy dia izy ireo no mpanolo-tsainy, ka nahatonga ny fahaverezany. Nanaraka ny torohevitr’izy ireo koa izy ka niaraka tamin’i Joramy zanak’i Ahaba, mpanjakan’i Israely, hiady tamin’i Hazaela mpanjakan’i Syria tao Ramota-gileada, ary naratra i Joramy noho ny Syriana. Dia niverina tany Jezreela izy mba hanasitrana ny ratra azony tao Rama tamin’ny nanafihany an’i Hazaela mpanjakan’i Syria. Ary nmidina tany Jezreela i Ahazia zanak’i Jehoramy mpanjakan’i Joda mba hijery an’i Joramy zanak’i Ahaba, satria naratra izy.

Avy tamin’i Raintsika ny fianjeran’i Ahazia, rehefa nitsidika an’i Joramy izy. Nony tonga izy, dia niara-nivoaka tamin’i Jehoramy hamely an’i Jehu zanak’i Nimsy, izay noorin’i Raintsika hanimba ny ankohonan’i Ahaba. Raha nanatanteraka ny fitsarana ny ankohonan’i Ahaba i Jehu, dia nahita ny lehiben’i Joda sy ny zanaky ny rahalahin’i Ahazia izay nanompo an’i Ahazia izy, ka namono azy ireo. Dia nitady an’i Ahazia izy, ka tratra izy rehefa nanafina ttao Samaria. Nentin’izy ireo tany amin’i Jehu izy ka novonoina, dia nalevina, satria hoy izy ireo: « Zanak’i Josafata izy, izay nitady an’i Raintsika tamin’ny fony rehetra. » Ary tsy nisy tamin’ny ankohonan’i Ahazia nahery hitazona ny fanjakana.

Zaza Nafenina tao an-tranon’i Raintsika

Nony hitan’i Atalia reniny Ahazia fa maty ny zanany, dia nitsangana izy ka nandrava ny taranaka mpanjaka rehetra tamin’ny ankohonan’i Joda. Fa i Jehosabeata zanakavavin’ny mpanjaka dia naka an’i Joasy zanak’i Ahazia ka nangalatra azy tao amin’ny zanaky ny mpanjaka izay hovonoina, ary nanafina azy sy ny mpitaiza azy tao amin’ny efitra fatoriana. Ka i Jehosabeata zanakavavin’i Jehoramy mpanjaka, vadin’i Jehoiada mpisorona sady anabavin’i Ahazia, no nanafina azy tamin’i Atalia, ka tsy novonoiny izy. Nitoetra nafenina niaraka tamin’izy ireo tao an-tranon’i Raintsika izy nandritra ny enin-taona, raha i Atalia no nanjaka tamin’ny tany.